<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>668</hymn_number>
<title>Jesosy Tompoko no lalana FFPM668</title>
<lyrics>[V1]
 Jesosy Tompoko no làlana,
 Fahamarinana, fiainana.

[V2]
 Tsy afaka manatona ny Ray
 Raha tsy amin'ny alalany.

[V3]
 Jesosy Tompon'ny fiainana ô !
 Aoka Hianao no ho fiainako.

[V4]
 Etý an-tany : fiainam-bavaka,
 Rahatrizay : fiainan-danitra.

[V5]
 Iriko mafy ny hiakatra,
 Hiaina izany fiainan-
 tsambatra !

[V6]
 Jesosy tokana no hanome
 Ahy ny fiainana mandrakizay.</lyrics>
</song>